Ny zoma lasa teo, basy poleta vita gasy iray no nisy nanatitra tao amin’ny biraon’ny tobim-paritry ny zandary tao Mantasoa. Araka ny vaovao azo dia nolazainy fa an’ny rainy izay efa maty ity fitaovam-piadiana ity. Nanararaotra ny iray volana ho famotsaran-keloka ho an’ireo manatitra an-tsitrapo ny basy tsy ara-dalàna any aminy moa ity lehilahy ity tao anatin’izany. Araka izay hetsika ataon’ireo mpitandro filaminana, izay isan’ny tafiditra ao anatin’ny « Tagnamaron’ny fandriampahalemana » ihany koa dia nambara fa ireo olona tonga manatitra ny basy tsy ara-dalàna any aminy dia tsy asiana arakaraka na hanaovana fanadihadiana. Nogiazana avy hatrany tao amin’ny biraon’ny zandary moa izany fitaovam-piadiana izany taorian’ny fandraisana aza.
Marihina fa nanomboka ny 16 novambra lasa teo ary hifarana amin’ny 15 desambra ho avy izao, izany hoe afak’ampitso, izany iray volana ho an’ny famotsoran-keloka izany. Hatreto dia efa maromaro ihany ireo basy nisy namerina tamin’ireo faritra rehetra eran’ny Nosy. Kanefa mbola hanentanana ny rehetra, na iza na iza, ka manana basy tsy misy taratasy na tsy vita fanavaozana mba hanatitra izany eny anivon’ny distrika, na amin’ireo biraon’ny mpitandro filaminana akaiky indrindra, hoy hatrany ireo tompon’andraikitra. Mamerina hatrany moa izy ireo fa tsy misy ny arakaraka. Aorian’io fe-potoana voalaza io kosa anefa dia azo heverina fa hihatra amin’ireo nahatratrarana basy tsy ara-dalàna amin’izany ny lalàna velona misy eto amintsika.
m.L