- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMantasoa : Zaza roa natelin’ny rano

Mantasoa : Zaza roa natelin’ny rano

Maloka tampoka ho an’ny fianakaviana iray avy any Manjakandriana ary mba nivoaka nampifaly zanaka toy ny maro, ny tany aman-danitra. Tao anatin’ny fotoana fohy dia namoy aina ny zazavavikely roa. Natelin’ny rano tao Mantasoa izy ireo ny alatsinain’ny paska teo rehefa nandeha lakana nitsidika  ny toerana. Niezaka niantso vonjy tamin’ny olona teny amin’ny sisin-drano ilay fianakaviana sao mba misy afaka milomano haingana. Na dia kopa-tànana aza no natao dia mba nisy nahita ihany izany ary nisy vatan-dehilahy nitsoraka haingana. Indrisy anefa fa na teo aza ny fialàna nenina rehetra dia tsy tàna intsony ny ain’izy mirahavavy rehefa tafakatra an-tanety. Tsy voalohany no nisy ny loza an-drano toy izao teo amin’ny farihin’i Mantasoa ary nahatonga ny olona mieritreritra azy fa maka olona ny toerana. Ilaina hatrany ny fisian’ny mpamonjy voina eny amin’ny toerana misy rano sy handalovan’ny olona maro, indrindra rehefa andro fety toy izao. Isan’izany ny farihy sy ny sisin-dranomasina. Afaka ampiasaina ny olona eo an-tanàna izay mahay ny toetry ny rano rehefa amin’ny vanim-potoana toa izao ary tsy sarotra velively izany, mba hiarovana ny ain’ny mpizahatany. Zaran’ny vatan-dehilahy aza mba misy fidiram-bola ho azy ireo ary inoana koa fa tsy handà latsakemboka amin’izy ireo ny mpandalo satria aina no harovana. Be loatra ny tantara ratsy amin’ny rano eto amintsika noho ny tsy fisian’ny fepetra raisina toa izany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici