Omaly maraina no nahitan’ny olona fatim-behivavy iray tao anaty tsikafona, teny amin’ny ranon’i Masay. Mpitandro filaminana iray niasa teny amin’iny faritra iny no nisy nampandre fa misy faty mitsingevana ao anaty rano. Rehefa nojerena ny razana dia hita fa efa tena simba be. Niohohoka ilay izy ary tsy nisy nahafantarana azy. Tsy dia lavitra loatra ny sisin-drano no nisy an’ilay faty. Mbola nisy akanjo teny aminy saingy efa manomboka ho simba ihany koa. Ny lamosina izay tsy difotry ny rano, feno lalitra. Nitangorona ny mpandalo nizaha ny zava nisy. Tsy lavitra teo, misy olona maro niasa nanala tsikafona. Tsy fantatra marina izay nahatonga an’io razana io tao anaty rano tao. Ny tombatomban’ireo izay nahita dia nilaza fa ankevity ny efa ho andro vitsivitsy no tao anaty rano tao ny razana.
r.s.