
Omaly no nahitan’ny mpandalo fatin-dehilahy tao anaty rano teny amin’ny Marais Masay. Rehefa nampiakarina ny razana dia fantatra fa olona nipetraka teny Ankorondrano Andranomahery ity lehilahy ity fahavelony. Teraka tamin’ny taona 1977 izy. Nitangorona ny mpandalo samy liana hizaha ny zava nisy. Mbola miakanjo ambony, manoa kilaoty ary teny an-tongony nisy kapa. Tsy lavitra teo koa nisy sakaosy nisy fitafiana vitsivitsy. Vetivety moa dia niparitaka ny vaovao. Tonga teny an-toerana ny havany izay nilaza tamin’ny mpitandro filaminana nanadihady teny fa toa manana aretina ity olona ity. Fanaony ny miala ny trano isa-maraina ary tonga eo amin’ilay toerana izy, saika isan’andro, manasa lamba manomboka eo amin’ny 9 ora eo. Rehefa izany dia manahy izany lamba izany eo ary miandry ny hahamaina izany vao mandeha mody.
Tsy fantatra anefa izy nahazo azy io. Nisy olona niteny teny an-toerana fa omaly maraina, tamin’ny fotoana nanaovany fanatanjahantena teny amin’iny faritra iny dia efa nahita lamba niahy izy ireo. Tsy fantatra aloha na an’ilay namoy ny ainy izany na tsia. Raha izany, hoy ny vinavina, ankeviny efa ny alahady no lasa tany anaty rano tany ity olona ity saingy tsy nisy nahatsikaritra izany. Tamin’ny fijerena ny razana dia tsy nahitana zavatra hafahafa, toy ny ratra ny vatany.
Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ahafantarana izay zavatra niseho marina.
r.s.