- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversMarais Masay Fatin-jaza kambana hita tao anaty “sachet”

Marais Masay Fatin-jaza kambana hita tao anaty “sachet”

Nifarimbona ny olona tamin’ny fiantsoana ny manam-pahefana (sary tahiry)
Nifarimbona ny olona tamin’ny fiantsoana ny manam-pahefana (sary tahiry)

Olona sendra nandalo no nahita ilay fonosana nipetraka teo amoron-drano. Mpitondra môtô sendra nandalo teny amin’ny toerana iny no nahatsikaritra an’izany voalohany, omaly tolakandro. Tsiravina ireo nahita ny tao anatiny : fatin-jaza roa, kambana raha araka ny fitantarany, no indray hita tao. Nampanatsoina ny BMH izay tonga teo an-toerana naka ireo razana. Raha ny fanazavan’izy ireo dia “zaza rano”, izay hoe nisy olona nanala zaza dia nariana teo an-toerana. Tonga teo ihany koa ny pôlisy. Nifarimbona ny olona tamin’ny fiantsoana tamin’ny finday ary nifanampy aza tamin’ny fividianana fahana. Nifampizara ihany koa tamin’ny fiambenana ilay harona mandra-pahatongan’ny BMH. Midika izany fa nanohina ny maro ity zava-nitranga tetsy amin’ny Marais Masay omaly ity. Ny fanalan-jaza dia efa toy ny famonoan’olona ihany ary misy ny sazy mifanandrify amin’izany.  Tsy misy afa-tsy ny mpitsabo (manam-pahaizana manokana amin’ny fiterahana) ihany no afaka manome alàlana ho amin’ny fanalan-jaza, ary izany dia rehefa hita taratra fa misy fahasamponana ilay zaza na koa mety hiteraka fahasahiranana ny fahavelomany rehefa teraka. Hatreto anefa dia toa lasa fanaon’ny olona izany, indrindra fa ireo tanora izay tsy afa-manoatra noho ny tsy fitandremana kely. Raha ny fanazavana avy ao amin’ireny tranom-paty ireny dia tsy latsaky ny “zazarano” na fatin-jaza vao teraka efatra isan’andro no misy manatitra ao. Akamban’izy ireo izany dia indroa isan-kerinandro no aterina eny amin’ny fasana iombonana eny Anjanahary.

 

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser