- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMarais Masay : Fatin’olona natsingevan’ny rano

Marais Masay : Fatin’olona natsingevan’ny rano

Taitra ny mpandalo teny amin’ny Marais Masay raha nahita lehilahy tsy nihetsika intsony ary natsingevan’ny rano. Rehefa nojeren’izy ireo akaiky dia tsy nisy akanjo intsony teny aminy. Ny kirarony sisa, izay efa simbasimba no hita teo amin’ny vata-tenany. Raha ny fihevitry ny maro azy dia nisy nanendaka ity lehilahy ity ary namaly sy niaro ny tenany. Vokatr’izany, raha io fijery io hatrany, dia novonoin’ireo olon-dratsy. Nanamafy izay fihevitry ny olona izay rahateo ny tsy fisian’ny akanjo intsony teny amin’ilay vatana mangatsiaka. Efa fanindroany izay no nisy fatiolona hita teny amin’iny toerana iny tamin’ity taona ity, raha araka ny fanazavan’ny mponina. Na izy ireo aza dia milaza fa tsy sahy mandeha irery eny amin’iny manodidina iny noho ny afitsoky ny mpanendaka. “Aleonay miova lalana hafa na dia lavitra aza ary mifampitaona rehefa handeha an-tongotra”, hoy ny fanazavany. Ilay lalana mihazo an’i Manjakaray no tena atahorana mafy, satria matetika itrangan’ny asan-jiolahy sy ny fanendahana samihafa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser