- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMarais Masay : Hain-trano, ramatoa iray maty

Marais Masay : Hain-trano, ramatoa iray maty

Ny alin’ny alatsinainy no nitranga ny hain-trano, manodidina ny tamin’ny 11ora30. Olona efatra no tao anatiny ary renim-pianakaviana ny iray raha ny zanany telo izay mbola kely kosa ny ambiny. Nisy iray tamin’ireo zaza ny nandrehitra kodiarana teo akaikin’ny varavaran’ny trano. Niitatra izany afo izany ka nahazo ilay trano hazo izay sady fonenan’izy efa-mianaka. Tafavoaka ireo zaza fa ilay renim-pianakaviana kosa no taraiky tao. Raikitr any antso vonjeo ary niezaka namonjy ny manodidina. Ny ranon’ny Marais Masay no notaterina tamin’ny koveta mba namonoana ny afo. Tsy nisy fiantraikany firy tamin’ny firehetana anefa izany ary dia kila forehitra ilay trano ary namoy ny ainy tao anatiny ilay ramatoa. Na izany aza mba matin’ny fokonolona ihany ny afo, adim-pamataranandro roa taty aoriana. Nifandrimbona tanteraka ny mponina tamin’ny fitaterana ny rano sy famonoana ny afo ary izay fitaovana teo an-tànana no nampiasaina. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany vao tena lefy ny afo. Henon’ny olona ny antso vonjeo nataon’ilay ramatoa nandritry ny afo nirehitra saingy tsy nisy azo natao intsony satria haingana be dia niparitaka ny afo noho ny trano vita tamin’ny hazo. Tonga teny an-toerana ihany ny mpamonjy voina ary namono ny afo kelikely sisa tsy maty. Zaza telo izany no indray kamboty tampoka noho ity voina nitranga tetsy amin’ny Marais Masay ity. Toerana izay mbola azo lazaina fa ampovoan’andrenivohitra ary tsy lavitra ny mpamonjy voina na hiainga eo Andravoahangy na etsy Tsaralalàna izy ireo satria samy misy foiben’izany ireo toerana roa ireo. Teo amin’ny antso ve no tara sa taiza no lesoka? Raha any amin’ny tany mandroso dia misy fanadihadiana misokatra satria niteraka fahafatesana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici