Vao maraina, omaly dia efa namono olona indray ny lozam-pifamoivoizana, ary mpitaingina kodiaran-droa no namoy ny ainy vokatr’izany. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany maraina no nitranga ny loza tetsy Marais Masay, ao anatin’ny fotoana tena betsaka fiara mpivezivezy. « Nisy fiara tsy mataho-dàlana nandona ilay kodiaran-droa. Nipitika ny mpitaingina izany ary nifatratra tao ambany kamiao lehibe. Tsy hitan’ny mpamily kamiao ny zava-nitranga raha tsy efa lasa lavidavitra, tokony ho eo amin’ny telo metatra teo », raha araka ny fanazavan’ny nahita maso ilay lozam-pifamoivoizana. Maty tsy tsa-drano ilay lehilahy, izay fantatra ny andron’iny ihany fa mpanatitra entana amidy isam-baravarana ny asany (livreur). Teo dia efa tsy nisy afaka nihetsika ny fiara rehetra voakasika, ary nanokafan’ny mpitandro ny filaminana fanadihadiana avy hatrany ny mpamily. Kamiao mpitatitra ranon-tany ary feno tanteraka ilay nahitsaka ilay lehilahy maty tsytsa-drano. Nikorontana avy hatrany ny fifamoivoizana teo an-toerana raha vao nitranga ny loza. Misesy eto an-drenivohitra ary efa nahafaty olona maro ny lozam-pifamoivoizana mahakasika ny kodiaran-droa. Eo ihany ny tsy fanaràhana ny lalànan’ny fifamoivoizana eo amin’ny mpampiasa làlana, saingy rehefa tena nodinihina ny tranga maro dia ny tsy fifandeferan’ny fiara sy ny moto no tena matetika mitarika ny loza.
D.R