- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversMarais Masay : Nahafaty olona indray

Marais Masay : Nahafaty olona indray

Nalalaka ny làlana ary samy nifamezivezy teo ny fiara sy ny kodiaran-droa. Mbola nitranga ihany anefa ny lozam-pifamoivoizana. Ny antony dia noho ny fisian’ny mpandeha an-tongotra izay nanapaka tampoka ny làlana. Nandriaka tampoka teo ny rà tetsy Marais Masay, omaly maraina manodidina ny tamin’ny sivy ora sy sasany. Voafoakan’ilay kodiaran-droa ilay rangahy ary nitera-doza izany : maty tsy tsa-drano ny mpandeha an-tongotra ary naratra mafy nitsirara tamin’ny tany kosa ilay mpanamory kodiaran-droa. Tsy scooter io moto io fa kosa ireny kodiaran-droa lehibe boldor ireny. Rehefa niala ny aroloha an’ny naratra dia hita fa teratany vahiny ilay nitondra ny moto. Tsy nisy azo natao maika ankoatra ny nanavotra ny naratra ary niantso ny mpitandro ny filaminana mba hijery ifotony teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza. Nitohana tampoka ny fifamoivoizana teo amin’ny Marais Masay mandram-pahavitan’izany pitsony ilaina amin’ny fanadihadiana izany. Nakisaky ny polisy roalahy ary natosika ho any amin’ny biraony ilay moto lehibe izay nitera-doza. Misesy hatrany ny lozam-pifamoivoizana eo amin’ireo lalam-baovao tsara tarehy ary saika mahakasika ny kodiaran-droa hatrany izany. Vao ny herinandro lasa teo koa no nisy moto izay nosokirina tao ambany fiara tsy mataho-dàlana ny mpanamory azy rehefa voafoaka. Ny tena tsikaritra dia ny tsy fanajàn’ny fiara sasany ny lalànan’ny fifamoivoizana. Ny ohatra akaiky izay miverina matetika, aty amin’ny ankavia indray ireo mandeha mora raha tokony ho any an-kavanana (serrer à droite). Dia lasa mifamadika indray koa izany ny zotran’ny fisongonana eny amin’ireny lalam-baovao izay matetika manararaotra mandeha mafy ny mpampiasa làlana. Manginy fotsiny koa ny fisian’ny olona izay mihoa-pefy ary miampita eny amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany. Lasa faritra menan’ny lozam-pifamoivoizana ireo lalam-baovao noho ny tsy fahampian’ny fahalalana eo amin’ny mpampiasa azy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici