- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMarais Masay : Roalahy nitaingina môtô notsatohin’ny mpanendaka antsy

Marais Masay : Roalahy nitaingina môtô notsatohin’ny mpanendaka antsy

Efa tsy misalasala intsony amin’izao ireo mpanao ratsy, fa indrindra ireo mpangalatra môtô sy mpanendaka. Toy ny nahazo ny roalahy izay nitondra môtô teny amin’iny faritra Marais Masay iny, ny tolakandron’ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha mbola teny ambony môtô mantsy izy ireo no avy hatrany dia samy niharan’ny tsatok’antsy tsirairay avy tamina lehilahy nijoro teo an-tsisin-dalana. Mazava ho azy, nianjera avy hatrany izy ireo ary samy naratra mafy. Tetsy andanin’izay kosa dia novonjen’ilay lehilahy nentina ilay môtô, ary tsy vitan’io fa mbola nararaotiny nosavaina sy nendahina avokoa izay zavatra azo nalaina rehetra teny amin’izy roalahy. Tsy hariva ary tsy maizina akory io andro fa mbola atoandro be no nisehoan’izany. Tampoka ny famelezana, izy ireo rahateo naratra ka tsy afa nanao n’inona n’inona ankory nanoloana ny fanafihana nahazo azy ireo, ankoatry ny niantso vonjy. Tamin’io fotoana io moa no nisy nampandre ny pôlisy, izay efa misy mpanao fisafoana tsy tapaka amin’iny faritra iny. Raikitra teo ny fanenjehana. Rehefa hitan’ilay mpanao ratsy fa nanenjika azy ireo ny pôlisy dia nitsoaka ity farany ary namela ilay môtô avy nangalariny. Tsy namelan’ireo mpitandro filaminana ireto anefa raha tsy voasambotra ity mpanindrona antsy ity. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nahafantarana fa efa mpamerin-keloka ity farany. Vao avy nivoaka ny fonjaben’i Tsiafahy ny taona 2016 teo mantsy ranamana noho ny vono olona nataony. Omaly moa ity lehilahy ity no natolotra ny teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici