- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMarais Masay : Taxi-be nivadibadika, naratra avokoa ny mpandeha

Marais Masay : Taxi-be nivadibadika, naratra avokoa ny mpandeha

Ny harivan’ny alakamisy lasa teo, fira mpitatitra iray avy ao amin’ny zotra 154 no niharan-doza tetsy amin’ny lalan’i Marais Masay ny harivan’ny alakamisy lasa teo. Nivadivadika ary namarana ny lalany tanaty rano ity fiara ity, saika nandratra ireo mpandeha rehetr tao anatiny. Olona roa no hita teny an-toerana ho tena voa mafy tao anatin’izany ary nentina novonjena haingana tany amin’ny hopitaly. Tokony ho tamin’ny enina ora sy fahefany teo no nitranga ity loza ity. Na dia teo tokoa aza ny fanamboaran-dalana misy eny amin’ity toerana ity dia mbola nahita hirika handehana mafy ihany ity taxibe ity. Tamin’izay fotoana izay anefa no sendra nahazo sisin’ny arabe ny kodiarana ary latsaka. Tsy voafehin’ny mpamily intsony familiana ary nihilana sy nivadibadika, ny lohany latsaka tany anaty rano. Ny sasany tamin’ireo mpandeha izay tsy dia naninona no tafavoaka avy hatrany ary nanampy ireo olona hafa tao anatin’izany fiara izany. Ny mpamily, izay hita fa tena voa mafy kosa no voatery nosokirina teo amin’ny lohan’ny fiara : naratra mafy teo amin’ny tanany sy lohany. Tovovavy iray taorian’ny sezan’ny mpamily ihany koa no tena voa mafy ary saika tsy tafiala tao anatin’ity fiara niharan-doza ity raha tsy navadika izany fiara izany. Ireo olona nahita ny loza no nifanampy tamin’ny famoahana azy tao. Voa mafy teo amin’ny lohany ity vehivavy ity. Tompon’andraikitra iray teo anivon’ny polisim-pirenena izay an-dalana hody ary fiara iray tao aorian’ity fiara mpitatitra nivadika ity no avy hatrany dia nandray an-tanana ny raharaha sy nanampy ireo olona nahita ny loza tamin’ny famonjena ireo naratra. Vetivety taorin’io moa no tonga ny namany nanampy tamin’ny fandaminana ny fifamoivoizana, izay efa nanomboka nitohana dia nitohana. Heverina fa ireto farany ihany koa tsy maintsy nanao ny fanadihadiana mahakasika ity loza ity. Raha izao mbola an-dalam-panamboarana izao tokoa ity lalana ity dia efa namoa-doza sahady, hanao ahoana izany raha efa vita eo? Dieny izao dia efa tokony handray fepetra mifanaraka amin’izany ireo tompon’andraikitra. Ireo mpamily fiara ihany tokony ho samy tompon’andraikitra amin’ny tenany ary tokony hatsiaro lalandava fa miankina amin’izy ireo ny ainy sy ny ain’ireo mpandeha entiny.

  1.   M.L
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici