Nitangorona ny olona. Na ny mpandalo na ny mpandeha fiara fitaterana dia samy liana tamin’ny zava-nitranga. Tokony ho tamin’ny efatra ora hariva omaly no nisy lehilahy izay tombanana ho 15 taona eo izay natsingevan’ny rano ny fatiny. Feno fotaka ny tanany ary raha ny fijery izany dia niezaka nanavo-tena mafy izy ka namikitra tamin’izay azo notazomina. Nosintomina avy ao anaty rano ny razana dia nampakàna sisiny mandram-pahatongan’ny Bhm izay naka azy teo. Tsy nisy nahafantatra izay nijery tamin’ny fotoana nandalovana teo. Mbola manao akanjo ambony ambany izy saingy tsy nanao kiraro intsony. Tsy nahitàna ratra kosa tamin’ny vatany. Noho ny tsy fahafantarana azy sy ny tsy fisian’ny taratasy teny aminy dia nijanona teo amin’ny tombatombana fotsiny avokoa aloha ny antony mety ho nitarika ny fahafatesany. Saika haka zavatra teo amoron-drano ve kanjo nisolifatra tao amin’io ranobe io ? Efa maty ve no nisy nanipy tao ? Raha olona hilomano mantsy dia tokony niala avokoa ny akanjony iray manontolo. Mety azo eritreretina koa ny hoe nihetsika aretina tampoka teo amin’ny manodidina ny moron-drano ary nilatsaka tao. Na izany aza anefa, ny moron-dranon’ny Marais Masay dia tsy lalina velively ary tsy tokony mampilentika. Raha tsy ho sendran’ny onaona angaha. Tombana avokoa hatreto no mandeha.
D.R