Naparitaky ny mpanara-dia azy ao amin’ny fiangonany ny sariny izay nolazaina fa efa namoy ny ainy. Manao akanjo fotsy ambony ambany ary mifatotra ny tarehiny ary nasiana vovo manetsina ny orony. Tsy niandry ela dia efa niteraka resa-be izany satria sinema indray ny fijerin’ny olona azy. Nisy nahatsikaritra aza fa niova ny fipetraky ny tanany ary torak’izany ihany ny vavany izay amin’ny sary hafa dia somary misokatra kely raha tamin’ny sary niparitaka voalohany dia nikatona noho ny fatotra. Rehefa betsaka ny tsy nino dia mbola niampy indray ny sary ny tapak’andro hariva ary tao anatin’ilay efitrano dia olona roa izay nifanampy tamin’ny fanindromana “formol” an’I Marc Tatandraza, lehilahy izay milaza hatrany fa mpaminany. Na izany aza anefa ny sarin’ny ranom-panafody fotsiny no hita dia ny fanindromana azy saingy tsy hita mivantana ny hoe iny fa notsindromina ny vatany. Vao tsy ela akory izay no nilaza tamin’ny mpino azy ity milaza ho Apostoly ity fa handeha hiakatra any an-danitra izy ary mbola hiverina indray. Nolazainy mihitsy tamin’izay fotoana izay fa ho faty izy, mba hahatongavany amin’izay tanjona izay. Nandrasana anefa tsy tontosa mihitsy izany ary nahatonga ny olona mainka koa tsy nino azy. Izao indray dia nandrasana mihitsy ny fankalazana ny andro nahaterahan’ny Kristy ary natao nitontona tamin’izany ny hoe “fahafatesana” an’ity milaza ho mpaminany ity. Inona ny tena tanjona? Na maty izy na tsy maty aloha dia tena niteraka resa-be tanteraka ny sary niparitaka omaly. Nolazaina fa hoentina tsy ho ela any atsimo ny razana. Ny tena handrasan’ny olona dia ny porofo, inona moa ny olana raha entina ny mpitsabo ara-panjakana izay afaka manamarina ny fahafatesany? Maninona koa no tsy hantsoina ny mpanao gazety mba hanatrika ny fanindromana formol ary inona ny olana ny amin’ny tsy hanaovana “autopsie” mba entina hanamarinana izay nahafatesany? Ho an’ny olona dia mila fanadihadiana sokafana ity raharaha “fahafatesana” ity satria mitarika fikorotanan-tsaina. Tsara tsiahivina fa heloka ny fandaingana fa maty izany, raha toa ka tena mitombina. Ary dia azo raisina ho mpiray tsikombakomba aminy avokoa ireo olona izay nanampy azy tamin’izany, tsipihina ihany : raha toa ka mitombina. Tsiahivina fa efa nosamborina ity Apostoly ity tany Mahajanga. Tsy vao izy no nanao “show” toa izao, isan’ny nalaza koa I Soeur Fabiola tamin’izany fotoana.
D.R