- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversMarc Tatandraza : Mbola manan-kery ny fampikarohana azy noho ireo fandikan-dalàna nataony

Marc Tatandraza : Mbola manan-kery ny fampikarohana azy noho ireo fandikan-dalàna nataony

Manambara ny zandarimariam-pirenena, fa mbola mitohy ary mbola manan-kery ny « avis de recherche » amin’ny anaran’i Marc Tatandraza izay efa nivoaka hatramin’ny taona teo aloha ka ilazana izay rehetra mety mahita na mahalala izay toerana misy azy mba hilaza haingana amin’ny mpitandro ny filaminana akaiky azy indrindra” hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena, mahakasika ity lehilahy iray, mpitarika antokom-pivavahana ary nilaza fa nitsanga-ko velona, raha voalaza ihany koa fa maty ny 25 desambra lasa teo. Ny zoma lasa teo iMarc Tatandraza no nolazain’ireo mpanara-dia azy fa nitsangana avy tao amin’ny fasana nilevenany tao Bekily. Eto ihany koa dia nitondra fanazavana ireto mpitandro filaminana ireto, mahakasika izany fahafatesany mampiahiahy izany. “Raha niseho teny amin’ireny tamba-jotra sosialy ireny izy nilaza fa maty tany Bekily ny faramparan’ny volana desambra teo dia ambara fa, taorian’ny fikarohana sy ny fanadihadiana lalina dia tsy tany an-toerana na iray segondra akory aza izy ary tsy nisy fanambarana fahafatesana na fangatahan-dàlana hanao fandevenana natao momba azy tany amin’izany distrika izany sy ny fokontany rehetra misy any”. Marihana, fa efa maro ireo fandikan-dalàna nataon’ity mpitarika antokom-pivavahana ity ary betsaka ihany koa no nitory azy noho izany. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny fanodinkodinana zaza tsy ampy taona, fanodikodinam-bolam-piangonana, ny fisolokiana sy ny fisandohana, izay namoizana ain’olona mihitsy. Niainga teto an-drenivohitra izany, nitohy tatsy Moramanga, voaroaka tany Mahajanga dia lasa tany Mananara Avaratra. Ny farany teo dia saika nodoran’ny olona velona niaraka tamin’ny fiangonana izay natsangany tao Soanierana Ivongo, raha tsy nandositra. “Efa nisitrika sy niery hatramin’ny taona 2017 teo ity lehilahy ity, noho ny fikarohana izay nataon’ny zandarimariam-pirenena azy tamina fandikan-dalàna maro vitany tamin’ny faritra maromaro teto amin’ny Nosy, ka nisiana fitorian’olona maro azy. Mbola mitohy miafina tsy sahy mipoitra izy hatramin’izao ary mbola mitohy noho izany ny fikarohana azy” hoy hatrany ny fampitam-baovao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici