Herinandro androany no nahavitan’ny fanamasinana ny fanambadian’i Andry, mpanao gazety solontenan’ny Midi Madagasikara any Antsirabe, sy i Nancy izay nofidian’ny fony ho namany amin’ny fiainana. Teny amin’ny Katedraly Saint Laurent Ambohimanoro no natao ny fanamasinana ny faha-20 septambra. Taorian’izany, nisy ny lanonana nanasan’izy mivady ny havana aman-tsakaiza sy ny mpiara-miasa teny amin’ny Batou Beach Ambohimanambola. Izao ny teny avy amin’ny Soratra Masina nofinidin’izy ireo: « Satria sarobidy eo imasoko ianao sady tiako, ka hanao fanekena mandrakizay aminy Aho ». (Isaia 43 : 4). « Satria malala eo imasoko ianao » (Jeremia 32 : 40). Ny alatsinainy maraina ihany dia nianga hanao ny volantateliny tany Nosy Be izy roa kely. Dia ho tokantrano matoky an’Andriamanitra ka ho hampoky ny fahasambarana no rariana ho an’ireto mpivady vao.
r.s.