- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers« Marie stopes » Madagasikara Toamasina : Notokanana ny « Maternité »...

« Marie stopes » Madagasikara Toamasina : Notokanana ny « Maternité » ao Ankirihiry avaratra

« Zaza nirina, saina milamina », « ny fahatongavana ho reny, fotoana tena majika », izay no filamatry ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana (ONG) « Marie stopes » nitokana ny toeram-piterahana sy fikarakaraka ny zaza (Maternité) tao Ankirihiry avaratra p/elle 11/58 ny zoma misandratra andro teo.

Nambaran’ny talen’ny « Marie stopes » Madagasikara Rtoa Lalaina Razafinirinasoa, fa efa nanana toy izao roa taona lasa izy ireo saingy nijanona izany, ka izao naverina izao indray izany ho tombontsoan’ny vehivavy sy ny zaza eto Toamasina. Amin’izy ireo mantsy dia ny kalitao sy ny fiarovana ary fahafaham-pon’ireo mpanjifa ao aminy no tanjona. Mahatsapa mantsy ny teo anivon’ny Ong « Marie stopes » Madagasikara fa niisa 8 hetsy ny zaza teraka teto amintsika noho ilay fihibohana nateraky ny covid-19 ny taona 2020-2021 araka ny tarehimarika navoakan’ny Fnuap. Nomarihan’ny talen’ny ivon-toerana notokanana ity ihany koa, ny taona 2018 araka ny tarehimariky ny Instat dia 22% ny reny nisitraka ny singa telo, fijerana tosi-drà – fisafoana – fijerena ny rà, amin’ny fiterahana. 14% amin’ny zaza no nahazo fiahiana teo am-pahaterahana. Ilaina ny fanatsarana izany satria lasa reny 9 isan’andro no maty am-piterahana vokatra amin’izao.

Hatramin’ny namoranana ny « Marie stopes » Madagasikara, ny taona 1992, dia efa vehivavy 3 tapitrisa no niteraka teo anivon’izy ireo. Ny taona 2020 kosa, na teo aza ny valanaretina Coronavirus dia vehivavy 94.000 no nosahanin’izy ireo, ka ny 600 teraka, ny 12.000 nanao fitarafana, 10.000 nanao fizaham-pahasalamana, 7.000 nojerana homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, ary 7.000 notialina ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. Firenana 38 eran-tany no misy ny « Marie stopes », ka isan’izany ny eto Madagasikara. Mpitsabo 85 amin’ny ivontoerana 6 eran’ny nosy no misahana ny toeram-pitsaboana. Raha ny fanazavana hatrany dia toeram-piterahana 5, dia i Mahajanga – Toliara – Ambohipo – Antsiranana – ary Toamasina, izay ngeza indrindra amin’ny toeram-piterahana natsangana, no notokanana taorian’ny fanarenana natao.

Ankoatra izay dia nandritra ity lanonam-pitokanana ity ihany koa no nanararaotra ny solontenan’ny minisiteran’ny fahasalamana, ny Dr Vahitriniaina Lova Hasina, talen’ny fahasalaman’ny fianakaviana, ny nampirosika hatrany ny fanavona vakisiny sy ny fampiasana ny arotava entina miady amin’ny covid-9, satria mbola eto amintsika io aretina io. Ilaina hatrany ny fisorohana hialana amin’ny tranga fahatelo mety hiseho, ka isika ihany no ho sahirana amin’ny fepetra horaisin’ny fanjakana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici