Tena manontany tena ireo mpanabe sy ireo mpampianatra eto Toamasina, fa maro amin’ireo mpianatra tsy tonga any am-pianarana. Ambara fa marary avokoa izy ireo, ary mbola misy koa ireo mpianatra tonga ihany fa mangataka ny hody vokatry ny tsy fahasalamana. Namoaka tarehimarika mihitsy izy ireo, fa amin’ireo mpianatra manodidina ny 70 dia tsy tonga mihitsy ny maro amin’izy ireo ary manodidina ny 05 ny mangataka mody. Raha ny fanazavana voaray dia misy karazana valanaretina eto Toamasina, ka ny fitrangany dia mafana hoditra, mangotsoka ny vanin-taolana, marary an-doha be; misy milaza fa misy varalaretina Dengue, chikunguonia,… ary covid-19 ankehitriny eto Toamasina. Tsy mbola voamarina avokoa izany fa raha ny tranga miseho toa mampanahy. Miandry ny fanazavana ataon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny tranga misy, hisorohana ny tranga sarotra mikasika azy ity, izay manao dokotera tena ny ankamaroany olona noho ny tsy fisian’ny eo am-pelentanana. Voalaza ihany koa fa ahitana trangana kitrotro amin’izao raha ny zava-misy sy hita indrindra ireo toeram-pitsaboana ireo zaza misy eto, miandry fanamarinana avy amin’ny mpitsabo anefa izany.
Malala Didier




