- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Maro ireo vahoaka naratra noho ny ataon’ireo jiolahy

Toamasina renivohitra : Maro ireo vahoaka naratra noho ny ataon’ireo jiolahy

Mitaintaina andro aman’alina ny mponina eto Toamasina ankehitriny noho ny hafitsoka ireo jiolahy manao ny ataony. Maro mantsy ireo mponina no maratra ao anatin’ny asa ratsin’izy ireo, misy ireo mitondra takaitra mihitsy ao anatin’izany, ao kosa ireo very fananana. Tranga roa no niseho tao Morarano teo akaikin’ilay faritra hain’ny olona eny an-toerana hoe divay soa iny. Vehivavy iray 20 taona hamonjy asa vao maraina noravain’ny ireo mpanendaka ka notapahan’izy ireo ny rantsany, izay ny ankihibeny no nesorina’ireo jiolahy. Teo koa ity mpianatra kilasy 4ème ao amin’ny Ceg Ratsimilaho mikotrana vao maraina sady nesorin’ireto jiolahy ny rantsan-tanany nahitana ny ankihibeny sy mbola notsindromin’ireto,jiolahy antsy ny tenany. Mbola manaraka fitsaboana sy fandidiana eny amin’ny toeram-pitsaboana izy ireo, ary mangataka fanampiana izy ireo vokatra izany. Ankilan’izany dia tovolahy iray 21 taona mpianatra asa avy ao amin’ny sekoly Uprim monina ao Mangarivotra hamonjy ny hopitaly hanaovany fianaran’asa, no noravan’ireo jiolahy mpanendaka telo lahy vao maraina. Notsindron’izy ireo antsy ity tovolahy ity, raha namaly ireto andian-jiolahy telo nitondra basy ity tovolahy tamin’ny nanilihany ilay basy teny an-tanana’ireo jiolahy nanambanana azy. Nirifatra nandositra ireo jiolahy telo vao nahita olona nivoaka teo akaiky teo, nefa lasan’izy ireo ny fitaovana fampiasan’ilay tovolahy ity amin’ny fianarana asa ataony ankehitriny. Ankoatra izany dia lehilahy lehibe iray avy niasa nandeha posy hody ary niala teo amin’ny toerana hoe kianja Lemalady Eric Ambohijafy avaratra, no noravain’ny mpitondra posy nitondra azy ihany vao niala posy ilay rangahy. Lasa avokoa ny karama iray volana vao noraisina nandritra izany. Maro ireo mpamily kamiao sy mpanera nahita ny zava-nitranga, saingy tsy nisy namonjy na iray aza noho tahotry ny valifaty aoriana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici