Manjaka ny varo-maizina, ka tafakatra 15.000 Ariary amin’izao ny lasantsa iray litatra eny amin’ny sisiny, raha 8000 Ariary ka hatramin’ny 10 000 Ariary izany ny fiandohan’ity taona ity, any amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, dia efa ho iray volana no tsy nisy lasantsy teny amin’ireo tobi mpaninjara solika. Vokatrizay tsy fisian-tsolika izay, manampy trotraka ihany koa ny faharatsian-dàlana, dia miaka-bidy avokoa ny entana ilain’ny mponina amin’ny fiainany andavanandro.
Eric Manitrisa