Olona an-jatony no nirohotra nitagorona teo anoloan’ny biraon’ny borigadin’ny zandary tao Maroantsetra, faritra Analanjirofo, ny Alakamisy 31 Aogositra teo tamin’ny 9 ora maraina. Mponina avy ao amin’ny fokontany antsoina hoe Nandranasana izy ireo ka hitaky ireo namany 20 nampanantsoin’ny zandary mba hanaovana fanadihadiana no anton-dia. Ireto farany izay ahiahiana ho nanapotika fananan’olona noho ny resaka ady tany. Araka ny loharanom-baovao dia fitsirihana nosakanan’ny fokonolona no niandohan’ny olana. Ny 29 aogositra 2017 tamin’ny 09 ora maraina, tonga tao amin’io fokontany io ny mpiasan’ny fandrefesan-tany (Topo) niaraka tamin’ny zandary efatra izay nahazo “requisition” mba hanao fitsirihana ny tanin’Atoa Serge. Tsy faly tamin’izany ny fokonolona tany an-toerana ka nanohitra ny fanatanterahana izany fitsirihana izany. Voatery niverin-dalana noho izany ilay mpiasan’ny Topo sy ireo zandary. Ireo vahoaka kosa lasa namonjy ny tranon’Atoa SERGE ka nanapotika ny fananan’ity farany.
Manoloana ity herisetra izay nanelingelina ny filaminam-bahoaka ity dia nadray ny andraikiny ireo tompon’andraiki-panjakana eo anivon’ny distrika ka nanokatra fanadihadiana. Olona 20 noahiahiana nanao io fandravana ny fananan’Atoa Serge io no nantsoina tany amin’ny Biraon’ny zandary hatao famotorana. Tsy nahafaly ny fokonolona anefa izany ka nifanaraka izy ireo fa hiakatra eny amin’ny biraon’ny zandary io Alakamisy. Tsy nanaiky anefa ny zandary ka nisorohana ny mety hitaran’ny raharaha dia nisy ny fandefasana zandary fanampiny avy amin’ny kaompania Maroantsetra.
T.M.