- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Afangaron’olona amina voana « mangrove » ny lavanila manta amidy

Maroantsetra : Afangaron’olona amina voana « mangrove » ny lavanila manta amidy

Ahiana hampisy fiantraikany ratsy amin’ny vokatra lavanila eto Madagasikara indray ny zava-misy any Maroantsetra ankehitriny amin’ny hosoka be vava ataon’ny olona sasany te-hanankarena tampoka amin’ny vidin’ny lavanila. Raha ny tati-baovao mari-pototra voaray avy any an-toerana, dia afangaron’ireo tsy mataho-tody amina voana « mangrove » ireo lavanila maitso amidy, ka raha tsy mijery tsara ny mpividy izany dia voafitaka. Lavanila manta mifangaro voana « mangrove » milanja 15kg izao no tra-tehaka tao amin’ny Kaominina Voloina. Tsy nanasaro-javatra moa ilay ny mpividy, ary tsy nitondra ny raharaha tany amin’ny mpitandro ny filaminana, fa dia nampandoaviny vola onitra telo avo heny amin’ny vidiny lavanila manta ilay olona nampifangaro. Tsiahivina fa manodidina ny iray hetsy Ariary ny iray kilao amin’ny lavanila amin’izao any amin’ity Distrika saro-dalana ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici