- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Horaisin’ireo mpanjono eny ifotony ny fitantanana ny tahirin-trondro ao Antongil

Maroantsetra : Horaisin’ireo mpanjono eny ifotony ny fitantanana ny tahirin-trondro ao Antongil

Manomboka izao dia ireo mpiantsehatra eny ifotony, ireo fikambanana hivondronan’ny mpanjono ao anatin’ny kaoperativa 12 antsoina hoe AGPL, no hitantana ireo tahirin-trondro ao amin’ny fari-dranomasin’i Antongil, any amin’iny distrikan’i Maroantsetra iny. Tontosa  ny talata lasa teo tao amin’ny fokontany Nandrasana, Ivoloina Maroantsetra, ny fanaovan-tsonia tamin’izany famindram-pitantanana izany. Lanonana ofisialy notarihin’ny goverinoran’ny faritra Analanjirofo, Dr Marcellin Randriamanantena, ny lehiben’ny distrika tao an-toerana ary ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tokony, voafidy sy voantendry.

Ho fampiroboroboana sy fampandraisana anjara ireo mpiantsehatra eny ifotony moa no tanjon’izao hetsika izao, izay notohanan’ny tetikasa Usaid Mikajy sy ny WCS. Tsy hadinon’Atoa Goverinora araka izany ny nisaotra azy ireo, tamin’ny alalan’ny Tale nasionalin’ny tetikasa Mikajy, Rtoa Johanna, sy ireo mpandrindram-paritra tany ifotony, angady nananana izany ary nanohana hatrany ireo mpanjono ka nitarika azy ireo hahay hitantana izany tahirin-trondro izany. Tanteraka aty Maroantsetra ny Velirano faha-6, 9 ary 10 nataon’ny Filoham-pirenena tamin’ny alalan’izany tetikasa izany », hoy izy

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici