- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Lakana nitondra mpandeha tra-doza teny an-dranomasina

Maroantsetra : Lakana nitondra mpandeha tra-doza teny an-dranomasina

Efa tsy nahazo alalàna handeha ity lakana nitondra olona 13 ity, noho ny haratsin’ny toetr’andro kanefa mbola nisisika ihany. Tra-doza tsy lavitry ny nosy Mangabe, 10 km atsinanan’i Maroantsetra izy io, ny talata maraina lasa teo.

Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina tany ho any no niainga avy any Ambanizana ity, distrikan’i Maroantsetra ity lakana misy môtera iray ity ary handeha hihazo ny renivohitr’i distrika. Olona 13 no nentiny, raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana, ka ny folo amin’izany no mpandeha ary ny telo kosa dia tantsambo. Noho ny toetr’andro ratsy tany an-toerana anefa, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any, dia niharan-doza izany lakana izany, kilaometatra vitsy tsy ahatongavana any Maroantsetra. “Nisy tafio-drivotra mafy, hoy ny vaovao ka saika nilentina an-dranomasina ilay lakana”. Marihana fa efa nisy ny toromarika nomen’ny Antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomamy sy an-dranomasina ny amin’ny tsy tokony hiandriakana intsony, kanefa nandika izany ny mpanamory ilay lakana, ary dia niroso ihany, kanefa dia izao tra-doza izao.

Tamin’io fotoana io ihany moa, raha ny angom-baovao azo avy tany an-toerana dia efa nisy ny famonjena ilay lakana tra-doza, ary avotra soa aman-tsara ireo mpandeha tao anatiny. Ny mpanamory izany kosa, lehilahy 35 taona, avy amin’io fokontany voalaza etsy ambony io, dia nosamborina avy hatrany ary nentina nanaovana fanadihadiana sy notazomina teny anivon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Maroantsetra. Mazava ho azy, maromaro ihany ny vesatra hanenjehana azy : ny tsy fanajana ny lamina napetraky ny tompon’andraikitram-panjakana, izay mety hitera-doza ho an’ny hafa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici