- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Lalana saika hotokanana nisy nanimba

Maroantsetra : Lalana saika hotokanana nisy nanimba

Tafiditra tao anatin’ireo fotodrafitrasa nokasaina hotokanana ny andron’ny 3 jona ho avy izao ity lalana vita « pavé » tao an-tampon-tananan’i Maroantsetra ity. Indrisy anefa nisy andian’olona nanimba ireo « balise » na ireo tsatoka vita amin’ny « beton » nanemitra ny lalana. Niniana nosimbaina mihitsy izy ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo. Marihana fa tafiditra tao anatin’ireo tetik’asa fampandrosoana ny faritra izay nataon’ny Fitondram-panjakana ny fanamboarana lalana vita amin’ny « pavé ». Nankinina tamin’ny Faritra ny fanamboarana izany. Anisan’ny nisitraka azy ireo ny tao Maroantsetra, faritra Analanjirofo. Nidina matetika tany an-toerana rahateo nanara-maso tanteraka ny fizotry ny asa ny Goverinoran’ny faritra, ny Dr Randriamanantena Marcellin. « Efa madiva ho vita izany asa izany, hoy ny vaovao saingy izao nisy ninia nanimba izao » Toe-tsaina mamohetra tanteraka ny tahak’izany, n’inona n’inona tsy fitovian-kevitra. Ary tiana marihana fa fandikan-dalàna izay mety hitondra any amin’ny fampidirana am-ponja ny fanimbana fananam-bahoaka. « Tokony hialana ny toe-tsaina tahaka izao fa mampihemotra fa tsy mampandroso. Fananana ho an’ny Zanaka Maroantsetra io fa tsy ho fananan’i Governora ary fitiavana te-hampandroso ny faritra no hanaovana izao ka samia saro-piaro amin’ny fananana iombonana » hoy ity tompon’andraikitry ny faritra ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Sarotra refesina ny FAHANTRANA matetika, fa ny toy itony no azo atao hoe : FAHANTRANA manan- devo !
    Mandrak’ izay doria dia tsy maintsy mahantra ! Na ho aiza na ho aiza.
    Mahamenatra no sady Manala-Baraka ny mpiray TANINDRAZANA ary koa, Mampitsanga-menatra by FIRENENA.
    Dia inona sisa ?
    Tsy ho any aminao mihintsy ny FANAMBINANA ! Aza matahotra.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici