- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Lehilahy namono olona, matin’ny fitsaram-bahoaka

Maroantsetra : Lehilahy namono olona, matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray indray no matin’ny fitsaram-bahoaka, tany amin’ny distrikan’i Maroantsetra, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fampitam-baovao azo, dia namono olona ity rangahy ity ary nitsoaka tany amin’ny biraon’ny kaominina. Tsy namelan’ny fokonolona anefa, indrindra fa ny havan’ilay maty fa dia nataon’izy ireo aina solon’ny aina tokoa. Ny alahady maraina teo no nitrangan’izany tao amin’ny kaominina Mariarano. Raha ny vaovao hatrany, dia nisy fifamiliana teo amina roalahy. Tsy fantatra anefa izay nitranga, fa tonga hatrany amin’ny fikasihan-tànana izany. Nandray maritoa ilay iray ary namely ny lohan’ilay nifamaly taminy. Naratra maty ity farany ary namoy ny ainy avy hatrany nony avy teo. Nahatsapa ny hadisoany angamba ity namely maritoa ka dia nitsoaka sy nandositra ary nila vonjy tany amin’ny biraon’ny kaominina tao an-tanàna. Nahare ity vono olona ity ireo fokonolona sy ny fianakavian’ilay namoy ny ainy ka nirohotra nitady ilay mpamono. Hitan’izy ireo tamin’io birao io ity rangahy, nalaina ary novonoina ihany koa. Tsy namelan’ireo mpisambotra raha tsy nanaraka hatramin’ny ainy ihany koa. Tonga teny am-poto-tsofin’ny zandary moa ity resaka ity ka nidina avy hatrany tany an-toerana izy ireo. Zandary enina avy ao amin’ny borigadin’i Maroantsetra no nijery ifotony ny zava-nisy sy ny nandamina ny toe-draharaha tany , ary nanatanteraka fanadihadiana. Nilamina ihany toe-draharaha tany an-toerana taorian’izay, araka ny fampitam-baovao hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici