Maty natelin’ny rano tao amin’ny reniranon’i Mahasoa, làlana mihazo an’i Rantabe, raha avy namonjy fetin’ny zandary tao andrenivohitry Maroantsetra, ny “Chef de poste” sy ramatoa vadiny.
Raha ny fanazavana azo avy tany an-toerana araka ny fanazavan’ny zandary tao Maroantsetra, dia nisy 08 mianadahy izy ireo no nitaingina lakana, ny alahady tolakandro tokony ho tamin’ny 04ora, ka ny 04 zanatany raha ny ambiny vahiny ka isan’izany ilay “chef de poste” sy ramatoa vadiny; raha mbola tsy niasa ilay baka vohizin-tanana fiampitana teo amin’ity renirano ity. Efa fanaon’ny olona ihany ny toy izao saingy tamin’ity indray mitoraka ity noho ny oram-be tany amin’ny fiatombohan’ilay renirano, dia somary nahery ihany ny reniranon’i Mahasoa, saingy nanome toky ny mpivohy ny lakana ka nandeha ireo mpandeha. Teo afivoan’ilay rano anefa dia nisy ny fihodinan’ilay renirano izay niteraka fivadihan’ny lakana. Samy niezaka nanavotra ny ainy ny rehetra, ka avotra soa aman-tsara raha niady tamin’ny fahafatesana ny 04 zanatany, ireo vahiny 04 kosa lasan’ny rano ka hatramin’ny nanoratana ny vaovao dia mbola karohina ny 03 tamin’izy ireo isan’izany ilay zandary “chef de poste”, ny vadiny kosa efa hita maty ny alahady alina ihany tsy lavitra ilay vinany raha natao ny fikarohana.
Tao anatin’ny herinandro izany, dia ity tranga na zandary “chef de poste” tao Rantabe Maroantsetra ity, no zandary faharoa maty taorian’ilay zandary GP2 voatsindrona antsy tao Soanierana Ivongo.
Malala Didier