Ny alin’ny alatsinainy nifoha ny talata teo dia nitrangan’ny haintrano tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Ankiakalava, ao Maroantsetra, tokony tamin’ny 11 ora alina. Tsy vitan’ny nandravarava ny afo fa namono olona ihany koa tamin’izao loza izao. Raha ny fanazavana dia tsy fantatra mazava ny niandohan’ny afo fa izy efa am-bovonana no nanaitra ny manodidina, ka izy ireo no niezaka namono ny afo sy nanao izay tsy hitarany. Niezaka nanokatra ny varavaran’ilay trano nisian’ny afo ny fokonolona saingy tsy voavoha izany ka izy no may kila forehitra tao anatiny. Raha ny fanazavana hatrany dia tranombarotra ao an-tanana ity nirehitra ity, ary mpiambina ilay tranombarotra ity maty ity. manahy ny fisian’ny fandorana niniana natao ny vahoaka ao amin’ny tanana ity amin’izao, satria tsy misy olona mampiasa afo na mahandro ao anatin’ity tranombarotra ity. Efa herinandro ihany koa no nanapaka ny herinaratra mandeha ao amin’ity tranombarotra ity ny tompony, ka tsy ho hisy mihitsy izany resaka fitseralana tariby na herinaratra izany. Ho an’ny mponina dia tsotra ny azy ireo na ankasomparana tsotra izao ny zava-misy na fialonanana an-tanana. Eo am-panadihadiana izany ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminanana amin’izao fotoana izao, satria entam-barotra mitentina 7.000.000 ariary no may kila tamin’izao fahamaizana izao. Ny fiaraha-mientan’ny fokonolona no tsy nitaran’ny afo tamin’izao loza izao.
Malala Didier