Nivadika ny vedety mpitatitr’olona iray noho ny fiakaran’ny ranomasina. Teo amin’ny mifanandrify amin’Ambinany-Androngoza, tanàna izay ao amin’ny distrikan’i Maroantsetra no nitranga ny loza an-dranomasina. Miisa 15 ireo olona izay nentin’ity fitaovam-pitaterana ity ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva. Raha araka ny tatitry ny zandary izay nandray an-tànana ny fanadihadiana dia olona iray no tsy hita popoka. Matetika ny misy loza an-dranomasina izay vokatry ny fihetsehan’ny rano. Ary efa nisy aza ny didy navoakan’ny manam-pahefana momba ny tsy fahafahana mampiasa fitaovam-pitaterana an-dranomasina rehefa manomboka tolakandro. Izany dia taorian’ny nisian’ny minisitra navadiky ny sambokely tamin’ny fotoanan’ny tetezamita. Noraràna tanteraka ny fifamoivoizana an-dranomasina tamin’ny oseana indiana tamin’izany fotoana ary raha ny fantatra dia mbola tokony hitohy izany didy izany. Matoa anefa mbola misy ny mampiasa sambo kely mivezivezy eo amin’ny dimy ora hariva dia azo heverina fa na nisy ny fiovàn’ny lalàna na koa misy ny minia tsy mahafantatra ny fanapahan-kevitra izay noraisina hatrizay. Tsy azo lalaovina anefa izany satria miteraka famoizana aina avy hatrany ny loza an-dranomasina.
D.R