Omaly maraina tokony ho tamin’ny fito ora tany ho any ho no rendrika teo amin’ny vavaranon’i Maroantsetra ny sambokely mpitondra mpandeha iray. Araka ny fantatra dia nisy olona am-polony tany ho any nentin’ity fitaterana an-dranomasina ity, niaraka tamin’ny entana. Raha ny voalaza dia voakatry ny toetr’andro ratsy no nahatonga ny loza.
Nikasa ho any Navana, kaominina Anjahana, ireto mpandeha ireto, raha niala avy tao Maroantsetra. Efa somary ratsy ihany ny andro tamin’io fotoana io ary nisamonta dia nisamonta ny ranomasina, saingy mbola nikiry ny hiainga ihany ny mpanamory izany. Teo amin’io vavarano, fifandraisan’ny ranomasina sy ranomamy no nitranga ny loza, raha tsy nahatohitra intsony herin’ny onja ilay sambokely ary rendrika tanteraka. Soa ihany anefa fa nandefa fanairana mialoha ireo tompon’andraikitra ary nampandre ny zandary tany an-toerana. Niainga avy hatrany namonjy ireto tra-doza niaraka tamin’ny sambo haingam-pandeha araka izany ireo avy ao amin’ny Tobim-paritry ny zandary ao Maroantsetra. Fantatra fa nanampy azy ireo ihany koa ireo mpitandro filaminana teo anivon’ny pôlisim-pirenana. Tonga ara-potoana izy ireo ary avotra soa aman-tsara avokoa ireo mpandeha folo, niaraka tamin’ny mpanamory miisa roa. Nisy ihany koa, raha ny fampitam-baovao hatrany, ny entana maromaro an’ireo mpandeha tonga an-tanety soa aman-tsara. « Ny zandarimaria dia manentana fa raha vao maloka na be rivotra na manoram-be ny andro dia tokony aato aloha ny fivezivezena an-dranomasina mba hialàna amin’ny loza toa izao »
m.L