- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Telo lahy tra-tehaka niaraka tamin’ny vola sandoka an-tapitrisany

Maroantsetra : Telo lahy tra-tehaka niaraka tamin’ny vola sandoka an-tapitrisany

Amin’izao taom-piotazana lavanila izao, dia mirongatra izaitsizy ny fiparitahan’ny vola sandoka any amin’ny tapany avaratry ny nosy iny, ka voafitaka matetika lasibatr’ireo olon-dratsy ny mponina ambanivohitra. Taorian’ny fiakaran’izy telo lahy nahatrarana vola sandoka Fampanoavana omaly, dia nadoboka am-ponja vonjy maika ireo mpanao heloka bevava.

Noho ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitra-po nanome vaovao mari-pototra ny mpitandro filaminana, dia telo lahy mpanamboatra sy mpanaparitaka vola sandoka no saron’ny zandary niaraka tamin’ny vola sandoka roa alina Ariary amin’ny endriny vaovao mitentina iray tapitrisa Ariary, sy vola tena izy efa voadio 1,6 tapitrisa Ariary tamin’ireo vola sandoka 4,3 tapitrisa Ariary nentin’ ireo olon-dratsy, ary sigara amina fonosana maro, ny zoma teo, tao an-tampon-tanànan’i Maroantsetra.

Raha ny fanazavana azo avy amin’ny Kaomandin’ny Borigadin’ny Zandarimaria any an-toerana, ny GPHC Tefinanahary, dia nanomboka tao amin’ny Kaominina Ivoloina izy telo lahy avy any amin’ny Distrikan’i Mananara Avaratra ireto no nanaparitahana sy nanadio ireo vola sandoka, ka isaky ny mividy sigara iray « paquet » izy ireo, dia mamoaka vola sandoka 20.000 Ar hatrany. Rehefa azo ny famerim-bola izay vola madio, dia mifindra mpivarotra hafa indray izy ireo, ary mitohy ohatr’izay foana ny ataon’ ireto telo mirahalahy. Raha ny nambaran’ity manamboninahitra lefitra ambonin’ny Zandary ity hatrany, dia teknologia avo lenta no nanaovana ireo vola sandoka, ka raha maso mijery fotsiny dia sarotra ny manavaka azy amin’ny vola tena izy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici