- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Tovolahy 24 taona notombotombohana ny antsy

Maroantsetra : Tovolahy 24 taona notombotombohana ny antsy

Nisehoana vono olona tamin’ny  fomba feno habibiana tao amin’ny fokontany iray tao amin’ny distrikan’i Maroantsetra antsoina hoe Ankiakandrefana. Voalaza tamin’izany, fa tovolahy vao 24 taona antsoina hoe Rajaonarison Didiant Fraco ity hita faty nisy namono ity. Tao amin’ny toeram-pidiovana no namonoan’ireo namono azy, ny alahady 12 jolay lasa teo. Raha ny fanazavan’ny ray aman-dreniny, dia nanomboka ny alin’ny sabotsy 11 jolay no tsy tonga nisakafo tany amin’izy ireo intsony ity tovolahy ity ; matory ihany mantsy no ataony ao Ankiakandrefana, fa ao amin’ny fokontany Ambohitsara izy no tena mipetraka. Niangavian’ny fianakaviany niandy trano ny tenany ka izay no nahatonga azy tany Ankiakandrefana. Raha ny fanazavana ihany koa, dia miara-miambina ny trano  amin’ny sakaizany izy mandritra izany ihany koa ; saingy ny tsy fahatongavany nisakafo tao Ambohitsara ny alahady no tena nanaitra mafy ny ray aman-dreniny ka nojeren’izy ireo tany ilay tovolahy. Akory ny hatairan’izy ireo, fa vatana mangatsiaka tao anaty toeram-pidiovana feno dian’antsy 05 be izao no novantanan’izy ireo. Nahitana dian’antsy teo amin’ny lohany, teo amin’ny tendany ; ka avy hatrany dia ilay sakaizan’ilay tovolahy no nandehan’ny eritreritry ny ray aman-dreniny, satria tao alohan’izao dia nisy disadisa mafy teo amin’ilay tovolahy sy ilay sakaizany. Nanomboka ny alahady 12 jolay teo, dia tsy hita ny nanjavonan’ilay sakaizan’ilay tovolahy. Mandeha ny fikarohana rehetra amin’izao, nefa efa fantatra fa avy amin’ny tanàna antsoina hoe Imatso distrikan’i Befandriana Avaratra ny fiaviany. Efa mandray an-tànana ny raharaha ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici