Tovolahy iray sahabo 25 taona eo, izay tra-tehaka nangalatra gisa sy kiraro no naratra mafy saika matin’ny hatezeram-bahoaka, tao amin’ny Fokontany Ankiakandrefana, Kaominina ambanivohitry Ambinagnintelo, any amin’ny Distrikan’i Maroantsetra, ny asabotsy antoandro teo. Araka ny tati-baovao voaray, dia saika nodoran’ny Fokonolona velona ity mpangalatra voasambotra, satria leomboan’anana amin’ny asa ratsy ataon’ ity tovolahy gadralava tsy mety fay, ikoizana amin’ny halatra sy vaky trano ity ny mponina teo an-tanàna. Raha vao tra-tehaka izy, dia niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany, ary saika matin’ny vono, raha tsy nalaky tonga ny mpitandro filaminana nanavotra ny ainy sy nitondra an’ity jiolahy tany amin’ny birao natao famotorana.
Eric Manitrisa