- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : « Vedette rapide » dobo an-drano, mpandeha 04 tsy hita...

Maroantsetra : « Vedette rapide » dobo an-drano, mpandeha 04 tsy hita popoka

Nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dranomamy indray tany amin’ny distrikan’i Maroantsetra, Faritra Analanjirofo, afak’omaly, tokony ho tamin’ny fito ora hariva. Raha ny vaovao voaray, lakana misy motera iray nitondra olona miisa enina avy tany Ambatofotsy, kaominina ambanivohitra Ambinanitelo hiazo an’i Maroantsetra no rendrika dobo an-drano teo anelanelan’ny vinanin’Ankandimbazaha sy Antsiranan’i Seta. Mpandeha roa no avotra soa amantsara, fa tsy hita popoka kosa hatramin’izao (ora nanoratana ny lahatsoratra) ny olona miisa efatra, izay vehivavy roa mianaka sy mpitondra lakana roa lahy, tao anatin’ity « vedette rapide » ity. Raha vao nandre ny loza ny mpitondra tany an-toerana, notarihan’ny Lehiben’ny distrika, dia nidina avy hatrany nijery ifotony ny zava-nisy, omaly, ary efa hita ny toerana misy ilay lakana kanôty nilentika, fa mbola miandry fitaovana afaka misintona azy ao anaty rano lalim-be, raha ny fanazavana azo hatrany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici