- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversMarobiby Itaosy : Enim-bolana nigadrana dia niverina nibizina rongony indray

Marobiby Itaosy : Enim-bolana nigadrana dia niverina nibizina rongony indray

Miandry azy soa aman-tsara indray ny fonja.

Tsy mety fay ! Lehilahy iray, izay efa fanta-daza amin’ny resaka fibizinana rongony teny amin’iny faritra Marobiby Itaosy iny no voasambotry ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina indray. Marihina fa efa nigadra noho izay resaka izay ingahirainy, saingy angamba tanana efa zatra mitsotra ny azy …

Ny alatsinainy tolakandro teo ity lehilahy ity no nopaingorin’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina teny an-toerana, raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy.  « Araka ny tsilian-tsofina voarain‘ny Polisim-pirenena miasa sy misehatra amin‘ity sampana ity dia misy olona mpivarotra rongony eny amin‘ny faritra Marobiby Itaosy iny .Tsy niandry ela fa tamin‘io daty voalaza teo ambony io no nidina teny an-toerana ny polisy nijery sy nanara-maso ilay toerana voalaza. Natao ny vela-pandrika ka lehilahy iray 43 taona no tra-tehaka ». Tamin’ny fotoana nisamborana ity rangahy ity moa dia voalaza fa mbola nahitàna fonosan-drongony nahatratra hatrany amin’ny 42 isa tany ho any teny aminy.  « Niaiky moa ny lehilahy fa mpivarotra rongony ary fantatra fa izy no mpamatsy iny faritra iny amin‘ny famarotana izany zava-mahadomelina izany. Eny amin‘ny faritra Ambohimanarina no ividianany ny iray sachet amin‘ny vidiny ka tsinjaraina avy eo. Sady mivarotra izy no mifoka ». Notanana avy hatrany natao andrimaso moa ity lehilahy ity, miandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici