- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMaroho : Miaramilan’ny Prezidansa mamo nanapoaka basy

Maroho : Miaramilan’ny Prezidansa mamo nanapoaka basy

Nikorapaka ny mponina teny Maroho-Tsimbazaza ny alin’ny Sabotsy hifoha ny Alahady teo. Norefitra ny basy ary fantatra fa nanakoako eran’ny tanàna izay satria ny andro rahateo nangina tanteraka. Maro ny nihevitra fa nisy fanafihan-jiolahy nitranga ve tao an-toerana. Tsy izany anefa no marina fa miaramila iray iuzay voalaza fa mamo no nanao izany. Teo anoloan’ny trano fonenana Manamboninahitra ambony tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Zandarimaria eo Ankadilalana no niseho ity tranga hafahafa ity. Nandray andraikitra avy hatrany moa ity Manamboninahitra ity ka niantso ny miaramilany avy ao amin’ny toby Ankadilalana ary naka ny basy teny an-tanan’ity miaramila ity. Nosamborina ihany koa ity farany ary nentina teny amin’ny Toby. Nandritra ny fanadihandiana azy dia nilaza ilay miaramila fa miasa ao amin’ny Prezidansa izy izay mitondra ny galona « Serza Sefo » ka miambina eny amin’ny trano fonenan’ny Filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina eny Tsimbazaza. Omaly ihany dia tonga teny Ankadilalana ny lietna iray avy ao amin’ny Prezidansa sy miaramila vitsivitsy nanaraka akaiky ity raharaha ity. Nandritra izany no nameranana tamin’izy ireo ny basin’ity miaramila ity sy ny vodina bala izay napoakany. Mbola notanana ao amin’ny zandary anefa izy fa tsy maintsy hiatrika fanadihadiana anio Alatsinainy.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici