Isany isian’ny fivoriana tsy an-kiato, ny eo anivon’ny prefektiora sy ny faritra Atsinanana, ny mahakasika ny resaka vidin-javatra, indrindra ny vidim-bary sy ireo kojakoja ilain’ny vahoaka amin’ny fiainany an-davanandro taorian’ny rivodoza “Enawo” farany teo iny. Misy hatrany ny fanasana atao ireo mpanafatra sy mpamongady ary ireo mpivarotra vaventy misy eto Toamasina mandritra izany. Nandritra ny fidinana ifotony in-droa miantoana nataon’izy ireo, teny an-tsena sy teo anivon’ireo magazay samy hafa teto Toamasina, no nahitan’izy ireo ny fanararaotana sy fanafenana vary ataon’ireo mpamongady sy mpanafatra vary sasany. Tao amin’ny magazay “champ ville” Anjoma izao nahatrarana vary tsy latsaky ny 200 taonina nafenina, nefa nilaza ny tsy manana tahiry intsony izy ireo raha nanontanian’ny fanjakana. Teny an-tsena indray dia efa misy ny mampiakatra ny vidim-bary hatrany amin’ny 2.500 ariary ny kilao amin’ny makalioka, raha efa tafakatra 2.000 ariary ny vary nafarana avy tany ivelany ; izay tsy tokony hihoatra ny 1.500 ariary anefa izany raha ny fanazavana. Tsy ny eto Toamasina renivohitra ihany anefa no misedra olana ny vahoaka fa ireo distrika ao anatin’ny faritra Atsinanana, izay any amin’ny toerana lavitra sy saro-dalana dia tena sahirana ny vahoaka. Any Marolambo izao, dia tafakatra 1.200 ariary ny kapoakan’ny vary, izany hoe manodidina ny 4.000 ariary ny iray kilao amin’izany. Ny ao Antanambao Manampontsy kosa dia 1.000 ariary ny kapoakan’ ny vary (≈3.500 ariary ny kilao), raha efa misy manararaotra eo amin’ny 900 ariary ny kapoaka ny vary (≈3.000 ariary ny kilao) ao Mahanoro sy ireo kaominin’i Toamasina II saro-dalana raha ny vaovao. Hatreto aloha dia ny fanentanana sy ny fanaraha-maso amin’ny fanararaotana amin’ny vidim-bary no azon’ny fanjakana atao, satria manana ny fanazavany hatrany ireo mpanafatra sy mpamongady vary, ka isan’izany ny olana amin’ny làlana sy ny fiakaran’ny saram-pitaterana ary ny tsy fisiany ihany koa. Ao anatin’izay anefa dia tena mikaikaika ny vahoaka ka ny fampihenana ny ho hanina no azony atao…
Malala Didier