- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMaromiandra : Mpanara-dia voasambotry ny dahalo, maty nodorana velona

Maromiandra : Mpanara-dia voasambotry ny dahalo, maty nodorana velona

Afak’omaly alina, tao amin’ny fokontany Andranoboka any amin’ny kaominina Maomiandra Toliara II, dia Jamà (andrimasom-pokonolona) iray amin’ireo efatra voasambotry ny dahalo no nodoran’ireo malaso velona tamin’ny afona kodiarana, ka maty may kila forehitra, raha navositr’ireo malaso ny telo naratra mafy notofirin’izy ireo sy voakapa famaky, izay miady mafy amin’ny fahafatesana amin’izao, ka mbola manaraka fitsaboana. Raha ny vaovao voaray dia nanampy isa ireo zandary nanara-dia omby very tao Belalanda,  very dia tao Maromiandra ny Jamà miisa 23 avy any amin’ny kaominina ambanivohitra Ankililoaka. Tao anaty fifadonana no voasambotry ny dahalo ny efatra tamin’ireo andrimasom-pokonolona (lehilahy mahery). Raha ny fanazavan’ny Chef d’Escadron Tsiketa Janvier Parfait, Commandant de Compagnie Toliara, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, dia efa efatra ny Jamà matin’ireto dahalo tarihan’ny Rafesy na fantatry ny maro amin’ny anaram-bositra hoe : Deba, zandriny ben’ny tanànan’i Maromiandra. Raha ny nambaran’ny lehiben’ireto Jamà dia tsy avelan’izy ireo ho raraka an-tany fotsiny ny ra ny naman’izy ireo maty. Hamaly faty izy ireo. Hafotaka ny fifadonana amin’ity herinandro ity.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser