Manao izay danin’ny kibony mihitsy ankehitriny ireo jiolahy mitam-piadiana ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Mangazay lehibe iray any amin’ny fokontany Marosako, kaominina Mahazomà, disitrikan’i Maevatanàna no nisehoan’ny fanafihana ny talata 17 aprily lasa teo, tokony ho tamin’ny 05 ora hariva. Vola mitentina telo hetsy ariary no very tamin’izany, niaraka tamin’ireo finday maromaro tao amin’ilay tranombarotra. Niisa fito ireo jiolahy ary nirongo basy. Narefodrefotr’izy ireo ny basy nentina nandrahonana ireo olona nanatri-maso ny zava-niseho, ka tamin’izany no navoatoraka lefona an’ilay rangahy tompona Mangazay, ary lehilahy iray hafa saika hanavotra an’io rangahy io no voatifitr’ireto malaso teo amin’ny feny. Nivoaka tsimoramora ny tsena ireo mpanafika, niparitaka nony avy eo, ary nanjavona teny anelakelan-trano. Nampandre ny mpitandro ny filaminana malaky ireo olona teo amin’ny manodidina, saingy efa dila lavitra ireo olon-dratsy vao tonga izy ireo. « Nalefa notsaboina malaky any amin’ny hopitaly be Morafenokely eto Maevatanàna kosa ilay rangahy voatsatoka lefona, ary nalaefa any Mahajanga ilay iray voatifira teo amin’ny feny . Tsy nisy azo natao fa niaritra ny fampihorohoroana fotsiny izahay », hoy ny nijoro vavolombelona, ilay Ramatoa iray nahita ny tranga rehetra tamin’ny fanafihana. « Tsy nanampo na inona na inona rahateo izahay fa noheverina ho toy ny olona rehetra hiditra ao an-tsena ireo mpanafika», hoy kosa ny tompon’andraikitra iray tao amin’ilay tranom-barotra. Misokatra ny fanadihadiana.
Ratantely