- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMarotaolana-Maevatanàna : Dahalo 20 nandoro tanàna sy nandroba omby 50

Marotaolana-Maevatanàna : Dahalo 20 nandoro tanàna sy nandroba omby 50

Dahalo manodidina ny 20 nitondra basim-borona sy zava-maranitra, no nandoro tanàna sy nandroba omby 50, tao amin’ny fokontany Marotaolana, Kaominina Antsiafabositra, disitrikan’i Maevatanàna, no nisehoan’ny halatra sy fanafihana ny alarobia 20 Semptambra, tokony ho tamin’ny 05 ora  sy fahefany hariva teo. Norobain’ireo malaso tamin’izany ny omby manodidina ny dimapolo ary trano  11 no nodoran’izy ireo nandritra ny fanafihana. Araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana, dahalo 20 eo ho eo nirongo basim-borona enina no nanafika sy nandroba teo amin’io fokontany io, ka lasa ny omby 50 ary nodoran’izy ireo avy teo ny tanàna.Nirifatra nandositra avy hatrany kosa ireo, raha vantany vao vita ny asa ratsiny. Tonga nanao ny fizahana sy fanadihadiana ny Zandary avy ao amin’ny « Poste Fixe» Antsiafabositra sy Antanimbary, saingy efa tsy nahatratra an’ireo olon-dratsy intsony. Mitohy kosa ny fanarahan-dia ataon’ireo mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao. Manoloana izay indrindra, dia manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ny mponina mba hijerena ifotony ny zava-misy eo amin’ny sehatra ny tsy fandriampahalemana ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, izay tena mavaivay tokoa ankehitriny noho ny afitsoky ny dahalo mirongo fitaovana mahery vaika.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici