- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMarotaolana-Maevatanàna : Kamiao tratra nitondra " Vato Cristal sy Jaspe" milanja 700Kg

Marotaolana-Maevatanàna : Kamiao tratra nitondra  » Vato Cristal sy Jaspe » milanja 700Kg

Nandritra ny sakana nataon’ny Zandary BPR Maevatanàna misahana ny lalam-pirenena fahefatra mihazo fokontany Marotaolana, kaominina Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nahatrarana Kamiao iray nitondra Vato Cristal milanja 500 kg sy Vato Jaspe milanja 200 kg, ny Asabotsy faha roa ny volana Febroary lasa teo, tokony tamin’ny sivy ora aliny tany ho any. Rehefa nosavaina ilay Kamiao dia hita nafenina tao anaty gony maromaro. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Marotaolana moa nahatrarana izany. Naiditra am-balampamonjana avy hatrany ilay fiara ary notanana natao andrimaso ilay mpamily sy ny olona tompon’ilay vato. Nogiazina eny amin’ny biraony polisy misahana ny harena an-kibony tany kosa ireo Vato mandra-piandry ny fahavitan’ny famotorana lalina hiandreketan’ny ( Police de Mines.) Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zareo misahana ny famotorana dia, avy any amin’ny tanànan’i Maromandia, any amin’ny disitrikan’Analalava, faritra Sofia moa ireo karazan-bato ireto no hoentina hiakatra any Antananarivo. Marihana fa tsy nisy taratasy fahazoan-dalana ahafahana mitondra vato mivezivezy ny fiara Kamiao.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici