- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversMarotsipoy Anjozorobe : Tanàna voalaza fa fieren’ny dahalo, nodoran’ny zandary

Marotsipoy Anjozorobe : Tanàna voalaza fa fieren’ny dahalo, nodoran’ny zandary

Trano am-polony maro no may kila hotohoto, ny alatsinainy teo tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antsahabe, fokontany Ambohitrimarofotsy, kaominina Marotsipoy, distrika Anjozorobe ny alatsinainy lasa teo. Tao anatin’ireo trano may ireo dia nahitana sekoly ambaratonga fototra iray, izay nisy efitra roa, tsy nisy azo azo noraisina ihany koa. Araka ny fampitam-baovao azo dia zandary avy any Andriamena, distrikan’i Tsaratanàna no nandoro ankitsirano izany tanàna izany, izay heverin’izy ireo fa tanàna fierena sy mpamatsy ireo dahalo mpanao fakàna an-keriny. Raha ny fanazavana azo tokoa mantsy dia hoe nisy trangana fakàna an-keriny tao amin’ny tanànan’i Manakana Vonimbohitra, distrika Tsaratanàna ny alakamisy lasa teo. Tao amin’io tanàna tao Antsahabe, distrikan’Anjozorobe io no voalaza, araka ny angom-baovao azon’ireo zandary avy ao amin’ny Tsaratanana fa “nandray sy namatsy ireo dahalo naka an-keriny (…) Ary tsy mitsahatra ny maka vatsy ao ireto farany”. Nisy avy hatrany fidinan’ireo zandary, avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Andriamena, tany an-toerana. Nasaina nivoaka ny trano ireo mponina, niaraka tamin’ny entany tsirairay ary nodoran’ireo zandary avy eo izany. Raha ny angom-baovao azo dia nahatratra hatrany amin’ny 20 tafo tany ho any ireo trano may kila forehitra. Tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy tao anatin’izany. Ireo mponina an-jatony maro, rava fananana sy tsy manan-kiafolana kosa raha ny voalaza dia efa nalefa namonjy ny renivohitry ny kaominina any an-toerana. Marihana moa fa tsy nampahalalana sy tsy nahafantatra velively ny fisian’ity hetsika fampandrian-tany sy fandoroana tranon’olona, notanterahan’ny zandary avy ao Tsaratanana io, ny zandary misahana iny distrikan’Anjorobe iny raha ny vaovao azo. Ity toerana ity, izay raha ny tokony ho izy dia sahanin’ny zana-tobim-paritra Marotsipoy, eo ambany fibaikon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central. Efa nisy araka ny fandefasana manamboninahitra any an-toerana, hijery ifotony ny zava-nisy sy hanokatra ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici