Tsy vitan’ny hoe efa nanolana ny reniny ity tovolahy iray fa mbola saika hangalatra sy hitondra an-tsokosoko ny zanany ihany koa. Tsy namelan’ireo fokonolona raha tsy voasambotra ranamana ary niharan’ny fitsaram-bahoaka. Zava-nitranga tao Marovazaha Anjozorobe ny talata hariva teo.
Ny talata folakandro teo no nisy nahita tany an-dohasaha ny zaza menavava iray, manodidina ny herintaona latsaka eo, tao Andrihikely, fokontany Andranonahoatra, kaominina Marovazaha. Tranga nahavalalanina ny maro ihany satria dia tsy nahitàna olona teny amin’ny manodidina ary ilay zaza mbola tsy mahay mandeha akory. Azo heverina avy hatrany araka izany fa hoe nisy nitondra izy ireo ary nisy « nametraka » sa « nanary » tao amin’io saha io. Rehefa niely vetivety ny feo dia fantatra fa nentin’ny lehilahy iray nitsoaka io zaza io. Ny vaovao azo avy tany an-toerana hatrany no nahafantarana fa tsy vitan’io saika hangala-jaza io ilay lehilahy fa mbola nampihatra ny filan-dratsiny tamin’ilay reniny ihany koa. Araka ny loharanom-baovao hatrany mantsy dia toa hoe nifampiresaka ihany ireto farany ary nasain’ilay nampatoriana ilay zaza. Nony natory ity zaza menavava dia notapenan’ingahirainy ny mason’ilay reniny no sady nampiharany herisetra. Rehefa tsy afa-namaly sy tsy afa-nanohitra intsony ity renim-pianakaviana ity dia naolany tao ary tsy namelany raha tsy nahavitàny ny zavatra nilainy. Taorian’izay moa dia io nentiny nitsoaka ilay zaza. Niantso vonjy avy hatrany ity vehivavy niharan’ny herisetra ary nanampy azy ireo fokonolona nanara-dia ilay olon-dratsy avy ato afara. Angamba fantatr’ingahirainy fa nisy nanaraka izy ka dia io napetrany teo an-dohasaha io ilay zaza kely. Tsy nihanona fotsiny tamin’ny fahitàna izany ireo mpanara-dia fa nanao hazalambo ilay mpanolana. Tsy niandry ela tokoa fa tamin’io hariva io ihany dia tratra. Raha ny vaovao voaray hatrany dia tsy namelan’ireto mpisambotra vonton-katezerana ingahy mpangala-jaza mpanolana raha tsy nianjera taminy izany hatezerana izany. Naratra vokatr’izay daroka sy vono nihatra taminy izay ity tovolahy ity ary saika niala hatramin’ny ain-dehibe raha tsy nisy mpitandro filaminana tonga teo. Ireto farany no nanao tsara ambina azy sy nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Ary fantatra fa efa mandeha ny famotorana mahakasika ity tranga ity.
m.L