Jiolahy mpangalatr’omby raindahiny sy efa mpamerin-keloka, fantatra anarana hoe « Tafita » no maty voatifitry ny zandary, rehefa sahy nifanandrina tamin’ireto farany izy sy ny namany. Zava-nitranga ny alahady lasa teo, tao amin’ny kaominina Marovazaha, distrika Anjozorobe.
Vao herinandro vitsy tokoa izay no nisy mpaka an-keriny vitsivitsy no voasambotra sy ny maty voatifitra, dia anjaran’ireo mpangalatr’omby indray no manefa ny asa ratsy vitany. Dahalo iray, izay efa fanta-daza tanteraka amin’izany asa ratsy izany no maty voatifitry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Anjozorobe ny alahady alina lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo mantsy dia indroa nifandona tamin’ny andian-dahalo avy nangalatr’omby ireto zandary ireto, tamin’io fotoana io. Ny iray tao Masakalina, kaominina Anjozorobe, ary ny iray tao Marovazaha, kaominina Ambohingamarina. Andian-dahalo iray ihany izy ireo, izay vao avy nangalatr’omby tao Amboaroihazo, Ambongamarina ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Ny marainan’ny alahady vao nisy nampandre ny mpitandro filaminana ka tamin’io fotoana io izy ireo no nidina ifotony, ary nanomboka nanao ny hazalambo sy ny fanarahan-dia. Tsy ela dia tratra ireo dahalo ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’io tanana voalohany, voalaza etsy ambony io. Mbola afaka nitsoaka sy nanohy ny diany ihany izy ireo ka raikitra indray ny fifanandrinana, kilaometatra maromaro talohan’io tanana io, efa nirotsaka ny alina. Tamin’io fifandonana faharoa io no nahavoatifitra sy nahafaty ny dahalo raindahiny iray. Azo teny am-pelatanan’izy ireo kosa ny omby avy nangalariny. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa tafatsoaka any an-toerana, raha ny fanazavana azo.
Be loatra ! Nampikolay ny mponina mihitsy, efa ho fotoana naharitraritra ny firongatry ny tsy fandriampahalemana any amin’iny tapany avaratr’Antananarivo iny. Ankoatry ny halatr’omby, dia mandeha ihany koa ny fakàna an-keriny sy ny sarintsarina fakàna an-keriny, ankoatry ny fanankanan-dalana eny antsefatsefany eny. Ao anatin’ny hetsika hanafoanana sy hamongorana azy hatramin’ny fotony ireo tompon’andraikitra any an-toerana, miara-misalahy amin’ny zandarimariam-pirenena, eo ambany fibaikoan’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central.
m.L