- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMarovazaha Anjozorobe : Nifandona ny dahalo sy ireo mpitandro filaminana

Marovazaha Anjozorobe : Nifandona ny dahalo sy ireo mpitandro filaminana

Isan’ny faritra mena anjakan’ny asan-dahalo ihany koa tato ho ato izay, iny faritra Anjozorobe iny. Ny zoma vao mangiran-dratsy teo dia nangotraka tokoa ny fifandonana teo amin’ireo fokonolona mpanara-dia, niaraka tamin’ny zandary sy ireo andian-dahalo, teo anelanelan’ny kaominina Antsiferana sy Ambohidranomanga. Na izany aza anefa, dia tsy nisy naratra na ny namoy ny ainy. Resy tosika kosa ireo dahalo ka namotsotra ireo omby 58 azony.

Raha ny zava-nitranga, araka ny tatitry ny zandary azonay, dia nisy fanafihan-dahalo nitranga tao amin’ny fokontany Ambohitsarantany, ao amin’ny kaominina Marovazaha, ny alin’ny alakamisy lasa teo. 17 no isan’ireo dahalo, izay nirongo basim-borona sy zava-maranitra. Tokantrano maromaro no voaroba omby tamin’io fotoana io. Rehefa azon’ireto malaso izay zavatra notadiaviny, dia nitsoaka izy ireo. Taorian’io fanafihana io dia nisy avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ireo zandary sy ny vatan-dehilahy maromaro tamin’ireo mponina, ka io niafara tamin’io fifandonana io. Mbola mandeha moa hatramin’izao ny fikarohana ireo malaso. Ireo omby azo kosa dia efa nomena ny tompony tsirairay avokoa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici