- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversMarovoay Boeny : Dahalo nanambana antsy zandary, maty voatifitra

Marovoay Boeny : Dahalo nanambana antsy zandary, maty voatifitra

Tsy nanaiky mora ny fisamborana azy ity dahalo raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe “Baban’i double” ity fa vao mainka nihantsy ady tamin’ireo zandary tonga hisambotra azy ary nandrangaranga sy nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy. Voatery namaly ireo mpisambotra ary maty voatifitra ingahirainy.

Tranga niseho tao amin’ny tanànan’i Fihaonana tao an-tampon-tanan’i Marovoay ny andron’ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any. Araka ny fampitam-baovao azo dia andro vitsy talohan’ity nisamborana azy ity dia vao avy nangalatra ombin’olona tao amin’ny fokontanin’i Miandisoa ny tenany. 12 kilaometatra miala ilay tanana nisamborana azy. Nandray an-tanàna ny raharaha avy hatrany ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Marovoay ary niroso tamin’ny fanarahan-dia. Ny voalohan’ny volana novambra teo, dia voalaza fa navelany tao Antalia ireo omby avy nangalariny ary nitsoaka nandositra ity farany. Rehefa natao ny angom-baovao dia fantatra fa ao amin’ny fokontanin’i Fihaonana ranamana no niafina. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo mpitandro filaminana taorian’ny fanamarinam-baovao ary niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana rehefa tsikaritra ny toerana nisy azy. Nandritra io fisamborana io anefa no namaly ilay olon-dratsy ary tsy nisalasala nampiasa ny “fibara” teny aminy, nentiny nihantsiana ady tamin’ireo zandary tonga hisambotra azy. Voatery niaro tena araka izany ireto farany ary nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy. Naratra voatifitra ity farany. Namoy ny ainy, vokatr’izay ratra nahazo azy izay, fotoana fohy taorian’izay. Marihana, araka ny loharanom-baovao azo hatrany fa isan’ireo olon-dratsy karohina fatratra ary efa mpamerin-keloka sy nampitondra faisana iny distrikan’i Marovoay sy ny manodidina ity ity olon-dratsy ity. Efa natolotra ny havany moa ny razana, taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici