- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMarovoay : Botry sy lakana nifandona, olona 1 maty

Marovoay : Botry sy lakana nifandona, olona 1 maty

Ny alatsinainy tany ho any amin’ny 9 ora alina tany, tao Ankijabe mahazo ny vavan’i Betsiboka, no nisy botry iray mitondra ny anarana «  mbola izy » nentina lehilahy iray mipetraka any Maroala. Marihina fa hitodi-doha ho any Madirivalo ity botry ity, kanjo nifandona tamin’ny lakana kely iray, izay nitodi-doha ho any Marovoay. Olona 2 moa no tao anatin’ity lakana ity, ka samy latsaka tany anaty rano avy hatrany raha vao voadona. Samy niezaka nanavotra ny ainy izy roa lahy ireto raha vao latsaka tao anaty rano.

Mbola erotrerony tokoa moa izy roa lahy ireto, satria vao 27 taona sy 17 taona, ary samy mpanjono avy ao Morafeno. Ilay zokiny no avotra soa aman-tsara teo amin’ny fiampitana ny rano fa ilay zandriny kosa rendrika ka tsy hita raha tsy roa andro taty aoriana, tany amin’ny 6 ora hariva tany ho any. Tao aorian’ny nampakarana ny razana dia tonga teny an-toerana ny dokotera nanao ny fizahana ary tamin’izany no nahitana ny tanana sy ny tongony havia, ka antony mety ho nahatonga ity tovolahy ho tsy afaka nanavotra aina tamin’ny alalan’ny filomanosana intsony. Efa manao ny famotorana ny zandary amin’ny antony nahatonga ny loza.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser