- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMarovoay : « Cash point » notafihan’ny dahalo, raim-pianakaviana iray maty voatifitra

Marovoay : « Cash point » notafihan’ny dahalo, raim-pianakaviana iray maty voatifitra

Nitrangana fanafihan-dahalo nitam-piadiana nahery vaika indray tany amin’ny Distrikan’i Marovoay, Faritra Boeny, afak’omaly, tokony tamin’ny enina ora sy sasany hariva, tao Antanantobazo, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Manaratsandry, ka « Cash point orange money » iray no lasibatry ny olon-dratsy, ary raim-pianakaviana iray voalaza fa mpiambina no voatifitra nandritra ny fandrobana, ary namoy ny ainy. Raha ny vaovao voaray, dia nalefa any amin’ny Distrikan’i Vohipeno tanindrazana niavinany ny nofomangatsiakan’ity rangahy maty voatifitra. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana amin’ny fikarohana an’ireo olon-dratsy nahavanon-doza mahakasika an’ity fanafihana nitam-piadiana narahina vono olona ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici