- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMarovoay : Dahalo roalahy nitam-piadiana avy nanafika mpanangom-bokatra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Marovoay : Dahalo roalahy nitam-piadiana avy nanafika mpanangom-bokatra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Tsy namelan’ny Fokonolona mihitsy raha tsy namoy ny ainy ny malaso roa tra-tehaka. Dahalo roa lahy no matin’ny fitsaram-bahoaka, tany Ambavarano Ambatomena Distrikan’i Marovoay, ny fito novambra lasa teo, ka hatramin’ny omaly dia mbola tsy misy sahy maka ny razana ny havan’ireo malaso maty. Araka ny tati-baovao voaray, dia nanafika mpandraharaha avy ao Marovoay handeha hividy vary tao an’Amboanio ireto dahalo roalahy nirongo sabatra sy zava-maranitra maromaro, ny  alatsinainy maraina teo tokony ho tamin’ny 6 ora. Teny an-dalana no voatafika ity mpanangom-bokatra ity, ka tsy afa-nihetsika intsony. Taorian’izay, rehefa tafatsoaka ireo jiolahy mpanakan-dalana dia nampandre ny mponina ny voatafika, ka raikitra ny fanarahan-dia sy savahao. Tra-tehaka tao Ambavarano Ambatomena ireo malaso ka avy hatrany dia niharan’ny hatezeram-bahoaka, ary maty eo ho eo voafirafira tamin’ny antsy. Nandriaka ny rà fa ohatra ny namono omby ireny ny namonoan’ny Fokonolona azy roa lahy, ary notapatapahina ny rantsan-tanan’ ireo malaso roapolo dia noentin’ireo fokonolona naseho ny ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Bemanonga, hoy ny tati-baovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici