Basim-borona roa, “calibre 16”, no teny amin’ireo jiolahy. Nahavitany fandrobàna anefa izany. Mpandraharaha iray tao amin’ny fokontany Tsararano, ao Marovoay, no niharan’ny fanafihana izay notontosain’izy enin-dahy. Sendra nifanojo tamin’ny zandary nanatanteraka fitsidiham-paritra anefa ireo nandritra ny fitsoahany. Raikitra ny fifampitifirana ary samy tsy nisy nanaiky hatramin’ny farany. Vokatr’ity ady ity dia lavon’ireo mpitandro ny filaminana izy enin-dahy ary tafaverina soa aman-tsara tamin’ny tompony ny vola izay mitentina 12 tapitrisa ariary. Tsy afa-nikofoka ireo jiolahy satria nampiana isa ny zandary ary natao koa ny paik’ady hanakanan-dàlana azy ireo. Vetivety foana izany ilay faritra dia voahodidina zandary. Na izany aza anefa dia niezaka ny nanavotra ny ainy hatramin’ny farany koa ireo olon-dratsy ary nampiasa ny basim-borona teny an-tanan’izy ireo. Tao anatin’ity fifandonana ity dia nisy olon-tsotra roa naratra. Entina hilazàna izany fa tena mafy ny fifampitifirana ary samy niaro ny tenany na ireo mpandroba na ireo mpitandro ny filaminana. Amin’ny andro antoandro no niseho izany ary izay koa no nisian’ny olona izay nijery ka nipitihan’ny bala. Naverina tsy misy banga tamin’ny tompony ny vola, raha araka ny fanamarihan’ny zandary izay nanentana ny olona mba hanome vaovao haingana azy ireo rehefa misy ny tranga fanafihana. Amin’ny lafiny iray koa anefa, rehefa hita fa mahomby ny fisian’ny fisafoana toy izao dia tokony hoezahina hatrany mba hampitomboina, indrindra any amin’ny faritra mena.
D.R