- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMarovoay : Jiolahy avy nanafika, maty voatifitry ny zandary

Marovoay : Jiolahy avy nanafika, maty voatifitry ny zandary

Omaly vao mangiran-dratsy dia nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tanàna iray tany amin’iny distrikan’i Marovoay iny. Tsy niandry ela ny fandraisana an-tanana nataon’ny zandary. Vokany, maty voatifitra ny iray tamin’ireo mpanafika.

Tokatrano iray, tao amin’ny fokontany antsoina hoe Ambinanitelo, kaominina Ankaboka, distrikan’i Marovoay no lasibatry ny jiolahy roa lahy nitam-piadiana, omaly tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any. Vao avy nahavita ny asa ratsiny ireto farany dia nitsoaka toy ny tsy teo. Tamin’io fotoana io ihany koa anefa no nahazo antso ny avy eo anivon’ny tobim-paritry ny zandary ao Mahajanga ka nidina avy hatrany teny an-toerana, nanao ny fanarahan-dia, niaraka tamin’ny fokonolona tao an-tanàna. Nifanehatra teo amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohimena, ao amin’ny kaominina Anosinalainolona ireo nenjehina sy ny mpanenjika tamin’izay fotoana. Araka ny loharanom-baovao azo dia nanohitra hatramin’ny farany ny fisamborana azy ireto olon-dratsy, ka niezaka nampiasa ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanan’izy ireo. Ny andro mbola maizina tamin’io fotoana io, ka voatery nampiasa ny azy ihany koa ireo mpitandro filaminana, nentina niarovana tena sy niarovana ireo fokonolona nanara-dia. Vokatr’izay zavatra izay, voan’ny bala ary maty voatifitra ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Tafaporitsaka tao anaty haizina sy ny fifandonana kosa ilay namany. Raha ny fantatra dia efa jiolahy raindahiny sy ikoizana tanteraka amin’ny fanafihana mitam-piadiana ity lavon’ny zandary ity, izay fantatra amin’ny solon’anarana hoe “Jeanti” ary monina ao amin’ny kaominina Ankaboka, distrikan’i Marovoay.

Nomena ny fokonolona moa taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo ny razana. Mbola nitohy hatramin’ny omaly kosa ny fikarohana ilay namany tafatsoaka. Marihina, hoy hatrany ny vaovao, fa na dia teo aza izay fifandonana izay dia tsy nisy naninona na ireo fokonolona na ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici